Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 14:7-18 Malagasy Bible (MG1865)

7. Nefa amin'izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;

8. ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo.

9. Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo;

10. fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.

11. Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo.

12. Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay

13. ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy

14. ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,

15. ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy,

16. ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa

17. ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana

18. ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 14