Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Daniela 5:24-30 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary noho izany dia Izy no nihavian'ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.

25. Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina.

26. Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin'izao;

27. Tekela, efa voalanja tamin'ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;

28. Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an'ny Mediana sy ny Persiana.

29. Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana.

30. Ary tamin'io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana.

Vakio ny toko manontolo Daniela 5