Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Amosa 6:11-14 Malagasy Bible (MG1865)

11. Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.

12. Mihazakazaka eny amin'ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?

13. Dia ianareo izay mifaly amin'ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?

14. Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin'i Hamata izy ka hatramin'ny lohasahan-driaka any amin'ny tani-hay.

Vakio ny toko manontolo Amosa 6