Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Amosa 5:15-27 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa.

16. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.

17. Ary any amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.

18. Lozan'izay maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,

19. Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin- tanana amin'ny rindrina, dia kekerin'ny menarana.

20. Moa tsy aizina va ny andron'i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?

21. Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.

22. Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.

23. Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo Aho.

24. Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.

25. Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i Isiraely?

26. Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin'ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan'ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo

27. Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.

Vakio ny toko manontolo Amosa 5