Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Amosa 2:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.

10. Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,

11. Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.

12. Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.

13. Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara.

14. Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;

15. Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;

16. Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Amosa 2