Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 36:10-16 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin'ny fanaka tsara tao an-tranon'i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an'i Zedekia rahalahin-drainy tamin'ny Joda sy Jerosalema izy.

11. Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.

12. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin'Andriamanitra.

13. Ary nikomy tamin'i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin'Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin'Andriamanitry ny Isiraely.

14. Ary ny lehibe rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny jentilisa ka nandoto ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.

15. Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin'ny olony sy ny fonenany.

16. Kanjo ny olona nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 36