Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 33:20-25 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary Manase lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.

21. Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema.

22. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon'i Manase rainy dia namonoan'i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny;

23. ary tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah tahaka ny nataon'i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza.

24. Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony.

25. Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 33