Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 25:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.

2. Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin'ny fony rehetra.

3. Ary nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.

4. Nefa ny zanak'ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. dia ao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy, fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona.

5. Ary novorin'i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 25