Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 18:19-22 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.

20. Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'inona anefa?

21. Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany.

22. Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 18