Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 17:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, dia nitety ny tanànan'ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin'ny olona.

10. Ary ny tahotra an'i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin'i Josafata ireo.

11. Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an'i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman'osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.

12. Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.

13. Ary nanana fananana betsaka tao amin'ny tanànan'ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.

14. Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin'ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;

15. ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;

16. ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 17