Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 17:3-7 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary Jehovah nomba an'i Josafata, satria nandeha tamin'ny nalehan'i Davida rainy izy, dia ilay tamin'ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;

4. fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon'ny Isiraely.

5. Koa dia nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an'i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.

6. Ary ny fony nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.

7. Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin'ny tanànan'ny Joda,

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 17