Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 17:12-18 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.

13. Ary nanana fananana betsaka tao amin'ny tanànan'ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.

14. Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin'ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;

15. ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;

16. ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.

17. Ary tamin'ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;

18. ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 17