Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 16:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.

2. Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:

3. Misy fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 16