Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 14:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary Asa nitaraina tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.

11. Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan'i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.

12. Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan'i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan'ny Joda babo betsaka.

13. Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an'i Gerara izy; fa ny fahatahorana an'i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.

14. Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman'osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 14