Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 13:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.

2. Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.

3. Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.

4. Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:

5. Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira.

6. Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony.

7. Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.

8. Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 13