Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 11:6-18 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa

7. sy Beti-zora sy Soko sy Adolama

8. sy Gata sy Maresa sy Zifa

9. sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka

10. sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.

11. Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.

12. Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.

13. Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin'ny fari-taniny avy.

14. Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah,

15. fa nanendry mpisorona ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny Seïrima ary ho an'ny ombilahy kely izay nataony).

16. Ary na iza na iza tamin'ny firenen'Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

17. Ka dia nampahery ny fanjakan'ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona telo taona izy.

18. Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 11