Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 11:3-12 Malagasy Bible (MG1865)

3. Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny Isiraely rehetra amin'ny Joda sy ny Benjamina hoe:

4. Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.

5. Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.

6. Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa

7. sy Beti-zora sy Soko sy Adolama

8. sy Gata sy Maresa sy Zifa

9. sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka

10. sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.

11. Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.

12. Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 11