Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 6:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina.

2. Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.

3. Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.

4. Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara.

5. Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.

6. Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 6