Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 3:10-16 Malagasy Bible (MG1865)

10. ka hampiala ny fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.

11. Dia tsy nahavaly an'i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.

12. Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.

13. Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin'i Saoly.

14. Ary Davida naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy.

15. Ary Isboseta naniraka naka an'i Mikala tany amin'i Paltiela vadiny, zanak'i Laisy.

16. Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 3