34. Ary manao ny tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo Izy.
35. Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
36. Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
37. Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
38. Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.
39. Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
40. Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
41. Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
42. Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an'i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
43. Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
44. Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
45. Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
46. Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
47. Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
48. Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
49. Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe;
50. Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.