Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 22:3-15 Malagasy Bible (MG1865)

3. Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin'ny fampahoriana Hianao.

4. Miantso an'i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.

5. Fa nihodidina tamiko ny onjan'ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.

6. Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.

7. Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.

8. Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan'ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.

9. Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.

10. Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.

11. Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin'ny ela-drivotra Izy.

12. Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina

13. Ary avy teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.

14. Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.

15. Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 22