Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 22:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an'i Jehovah tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tànan'i Saoly,

2. ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,

3. Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin'ny fampahoriana Hianao.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 22