Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 17:1-16 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka hiainga hanenjika an'i Davida anio alina;

2. ary ho tonga ao aminy aho amin'ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako;

3. dia haveriko ho etỳ aminao ny vahoaka rehetra miankina amin'io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan'ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra.

4. Ary sitrak'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely rehetra izany.

5. Kanefa hoy Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny.

6. Ary nony tonga teo amin'i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr'i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?

7. Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon'i Ahitofela tamin'ity.

8. Ary hoy kosa Hosay: Hianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin'ny vahoaka raha alina.

9. Fa, indro, miery any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin'ny fitoerana hafa; ka raha misy resiny amin'ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an'i Absaloma,

10. ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon'ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.

11. Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, toy ny fasika amoron-dranomasina no hamarony; ka dia ny tenanao no hankany an-tafika.

12. Dia ho tonga ao aminy amin'izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin'ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin'izay olona rehetra manaraka azy.

13. Fa raha miditra an-tanàna izy, dia hitondran'ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka dia hotarihintsika ho any amin'ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao.

14. Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon'i Ahitofela ny nataon'i Hosay Arkita. Fa efa notendren'i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon'i Ahitofela, hampidiran'i Jehovah loza amin'i Absaloma.

15. Dia hoy Hosay tamin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona: Izany ka izany no hevitra nomen'i Ahitofela an'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely; ary izao ka izao kosa no hevitra nomeko azy.

16. Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin'i Davida hoe: Aza mitoetra any amin'ny fitàna any amin'ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 17