Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 16:5-12 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary nony nanakaiky an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana.

6. Ary nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin'ny ankavanan'ny mpanjaka sy teo amin'ny ankaviany.

7. Ary hoy ny fanozon'i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!

8. Nataon'i Jehovah manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.

9. Ary hoy Abisay, zanak'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.

10. Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?

11. Ary hoy koa Davida tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.

12. Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin'ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 16