Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 16:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.

2. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any an-efitra.

3. Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy.

4. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Indro, anao izay rehetra an'i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.

5. Ary nony nanakaiky an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 16