Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 12:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.

2. Ilay manan-karena nanana ondry aman'osy sy omby betsaka;

3. fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 12