Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 8:14-26 Malagasy Bible (MG1865)

14. Dia niala tamin'i Elisa izy ka nankany amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain'i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.

15. Ary nony ampitso, dia nalain'i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary nasarony ny tavan'i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.

16. Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata tany Joda.

17. Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.

18. Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.

19. Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin'i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an'ny taranany.

20. Tamin'ny androny no niodinan'i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;

21. ka dia nankany Zaira Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.

22. Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin'izany andro izany.

23. Ary ny tantaran'i Jehorama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va?

24. Ary Jehorama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.

25. Ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda,

26. Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny Isiraely.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 8