Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 6:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.

2. Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.

3. Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.

4. Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.

5. Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.

6. Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.

7. Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.

8. Ary ny mpanjakan'i Syria niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.

9. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana.

10. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 6