Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 20:9-21 Malagasy Bible (MG1865)

9. Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo?

10. Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo.

11. Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'i Ahaza.

12. Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Berodaka baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.

13. Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.

14. Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.

15. Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.

16. Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah:

17. Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.

18. Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.

19. Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay?

20. Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

21. Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 20