Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 19:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.

7. Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny, dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.

8. Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.

9. Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe:

10. Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.

11. Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?

12. Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena, izay tao Telasara?

13. Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?

14. Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 19