Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 17:26-33 Malagasy Bible (MG1865)

26. Dia hoy ny olona tamin'ny mpanjakan'i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin'ny tanànan'i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan'ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry ny tany.

27. Ary ny mpanjakan'i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin'ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any izy.

28. Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin'izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an'i Jehovah.

29. Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo, izay nataon'ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin'ny tanàna nitoerany avy.

30. Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an'i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an'i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an'i Asima;

31. ary ny Avita nanao an'i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin'ny afo ho an'i Adrameleka Anameleka, andriamanitr'i Sefarvaima.

32. Dia natahotra an'i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin'ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin'ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.

33. Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon'ny firenena izay efa nangalana azy avy.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 17