Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 12:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fito taona Joasy fony izy vao nanjaka:

2. Ary tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.

3. Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny androny rehetra izay nanoloran'i Joiada mpisorona saina azy.

4. Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ny fitoerana avo ihany.

5. Ary hoy Joasy tamin'ny mpisorona: Ny vola amin'ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, dia ny volan'ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin'ny tomban'olona ary ny vola rehetra Izay nentin'ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon'i Jehovah,

6. aoka horaisin'ny mpisorona amin'ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin'ny trano, na amin'inona na amin'inona no hitany misy simba.

7. Kanjo hatramin'ny fahatelo amby roa-polo taona nanjakan'i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin'ny trano.

8. Ka dia niantso an'i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin'ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin'ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin'ny trano ny vola.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 12