Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 11:5-13 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin'ny Sabata dia hiambina ny tranon'ny mpanjaka;

6. ary ny ampahatelony ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon'ny mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy.

7. Ary ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin'ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon'i Jehovah hiarovana ny mpanjaka.

8. Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.

9. Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata ary nankany amin'i Joiada mpisorona.

10. Ary ny kapiteny nomen'ilay mpisorona ny lefona sy ampingan'i Davida mpanjaka izay tao an-tranon'i Jehovah.

11. Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.

12. Dia nentin'i Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!

13. Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao amin'ny tranon'i Jehovah izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 11