Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 11:2-6 Malagasy Bible (MG1865)

2. Fa Joseba. zanakavavin'i Jehorama mpanjaka ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.

3. Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany.

4. Ary tamin'ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin'ny mpanjaka.

5. Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin'ny Sabata dia hiambina ny tranon'ny mpanjaka;

6. ary ny ampahatelony ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon'ny mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 11