Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 11:11-15 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.

12. Dia nentin'i Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!

13. Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao amin'ny tranon'i Jehovah izy.

14. Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao, ary ny andrian-dahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!

15. Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan'ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 11