Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 11:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra.

2. Fa Joseba. zanakavavin'i Jehorama mpanjaka ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.

3. Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 11