Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 9:38-44 Malagasy Bible (MG1865)

38. Ary Miklota niteraka an'i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.

39. Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

40. Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an'i Mika.

41. Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.

42. Ary Ahaza niteraka an'i Jara; ary Jara niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;

43. ary Moza niteraka an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia, Azela no zanakalahin'i Elasa.

44. Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 9