Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 9:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.

2. Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.

3. Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:

4. dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.

5. Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.

6. Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.

7. Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,

8. sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 9