Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 8:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Benjamina niteraka an'i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo,

2. sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy.

3. Ary ny zanakalahin'i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda

4. sy Abisoa sy Namana sy Ahoa

5. sy Gera sy Sefofana ary Horama.

6. Ary izao no zanakalahin'i Ehoda (izao no lohan'ny fianakavian'ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata,

7. Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an'i Oza sy Ahihoda izy.

8. Ary Saharaima niteraka tao amin'ny tany Moaba taorian'ny nisaorany an'i Hosima sy Bara vadiny.

9. Ary Hodesy vadiny no niterahany an'i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama

10. sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan'ny fianakaviany avy.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 8