Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 6:3-19 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.

4. Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon'ny Levita araka ny rainy:

5. Avy amin'i Gersona: Libny no zanak'i Gersona, Jahata no zanak'i Libny, Zima no zanak'i Jahata,

6. Joa no zanak'i Zima, Ido no zanak'i Joa, Zera no zanak'Ido, Jeateray zanak'i Zera.

7. Ny zanakalahin'i Kehata dia Aminadaba, Kora no zanakalahin'i Aminadaba, Asira no zakalahin'i Kora,

8. Elkana no zanakalahin'i Asira, Ebiasafa no zanakalahin'i Elkana, Asira no zanakalahin'i Ebiasafa,

9. Tahata no zanakalahin'i Asira, Oriela no zanakalahin'i Tahata, Ozia no zanakalahin'i Oriela, ary Saoly no zanakalahin'i Ozia.

10. Ary ny zakalahin'i Elkana dia Amasay sy Ahimota.

11. Ny amin'i Elkana, ny zananilahy dia Zofay, ary Nahata no zanakalahin'i Zofay,

12. Eliaba no zanakalahin'i Nahata, Jerohama no zanakalahin'i Eliaba, Elkana no zanakalahin'i Jerohama.

13. Ary ny zanakalahin'i Samoela dia Vasny lahimatoa sy Abia.

14. Ny zanakalahin'i Merary dia Maly, Libny no zanakalahin'i Maly, Semey no zanakalahin'i Libny, Oza no zanakalahin'i Semey,

15. Simea no zanakalahin'i Oza, Hagia no zanakalahin'i Simea, Asaba no zanakalahin'i Hagia.

16. Ary izao no notendren'i Davida ho mpiventy hira tao amin'ny tranon'i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara,

17. ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin'ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon'i Solomona ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,

18. dia izao no nanompo mbamin'ny zanany: Tamin'ny zanakalahin'ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i Samoela,

19. zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Jerohama, zanakalahin'i Eliala, zanakalahin'i Toa.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 6