Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 6:25-35 Malagasy Bible (MG1865)

25. zanakalahin'i Mikaela, zanakalahin'i Beseia, zanakalahin'i Malkia,

26. zanakalahin'i Etny, zanakalahin'i Zera, zanakalahin'i Adaia,

27. zanakalahin'i Etana, zanakalahin'i Zima, zanakalahin'i Simey,

28. zanakalahin'i Jahata, zanakalahin'i Gersona, zanakalahin'i Levy.

29. Ary ny rahalahin'ireo kosa, dia ny zanakalahin'i Merary, nitsangana teo amin'ny ankaviany: Etana, zanakalahin'i Kisy, zanakalahin'i Abdia, zanakalahin'i Maloka,

30. zanakalahin'i Hasabia, zanakalahin'i Amazia, zanakalahin'i Hilkia,

31. zanakalahin'i Amzy, zanakalahin'i Bany, zanakalahin'i Samera,

32. zanakalahin'i Maly, zanakalahin'i Mosy, zanakalahin'i Merary, zanakalahin'i Levy.

33. Ary ny Levita rahalahin'ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin'ny tabernakelin'ny tranon'Andriamanitra.

34. Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin'ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an'ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra.

35. Ary ny zanakalahin'i Arona dia Eleazara, ary Finehasa no zanakalahin'i Eleazara, Abisoa no zanakalahin'i Finehasa,

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 6