Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 6:15-20 Malagasy Bible (MG1865)

15. Simea no zanakalahin'i Oza, Hagia no zanakalahin'i Simea, Asaba no zanakalahin'i Hagia.

16. Ary izao no notendren'i Davida ho mpiventy hira tao amin'ny tranon'i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara,

17. ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin'ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon'i Solomona ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,

18. dia izao no nanompo mbamin'ny zanany: Tamin'ny zanakalahin'ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i Samoela,

19. zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Jerohama, zanakalahin'i Eliala, zanakalahin'i Toa.

20. zanakalahin'i Zofa, zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Mahata, zanakalahin'i Amasay,

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 6