Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 5:9-13 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada.

10. Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada izy.

11. Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka;

12. Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.

13. Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 5