Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 4:26-33 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ary ny zanakalahin'i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin'i Hamoela, Simey no zanakalahin'i Zakora.

27. Ary Simey nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak'i Joda ny fokony rehetra.

28. Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala

29. sy Bila sy Ezema sy Tolada

30. sy Betoela sy Horma sy Ziklaga

31. sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan'i Davida.

32. Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,

33. ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 4