1. Ary izao no zanakalahin'i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak'i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;
2. Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak'i Hagita, no fahefatra;
3. Sefatia, zanak'i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak'i Egla vadiny, no fahenina.
4. Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.
5. Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak'i Batsoa, zanakavavin'i Amiela)
6. sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta
7. sy Noga sy Nafega sy Jafia
8. sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
9. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin'ireo.