Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 3:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary izao no zanakalahin'i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak'i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;

2. Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak'i Hagita, no fahefatra;

3. Sefatia, zanak'i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak'i Egla vadiny, no fahenina.

4. Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.

5. Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak'i Batsoa, zanakavavin'i Amiela)

6. sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta

7. sy Noga sy Nafega sy Jafia

8. sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.

9. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin'ireo.

10. Ary ny zanakalahin'i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin'i Abia, Josafata no zanakalahin'i Asa,

11. Jehorama no zanakalahin'i Josafata, Ahazia no zanakalahin'i Jehorama. Joasy no zanakalahin'i Ahazia,

12. Amazia no zanakalahin'i Joasy, Azaria no zanakalahin'Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,

13. Ahaza no zanakalahin'i Jotama Hezekia no zanakalahin'i Ahaza, Manase no zanakalahin'i Hezetia,

14. Amona no zanakalahin'i Manase, Josia no zanakalahin'i Amona.

15. Ary izao no zanakalahin'i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 3