Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 24:5-21 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary samy nozarazaraina tamin'ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an'Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin'ny taranak'i Eleazara, na ny avy tamin'ny taranak'Itamara.

6. Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.

7. Ny loka voalohany dia azon'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia,

8. ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima,

9. ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina,

10. ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,

11. ny fahasivy an'i Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania.

12. ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima,

13. ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba,

14. ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera,

15. ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza,

16. ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,

17. ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,

18. ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.

19. Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.

20. Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.

21. Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 24