Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 24:28-31 Malagasy Bible (MG1865)

28. Avy tamin'i Maly no nihavian'i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.

29. Ny amin'i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.

30. Ary ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.

31. Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 24