Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 24:21-31 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.

22. Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.

23. Ary ny amin'ny taranak'i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.

24. Ny zanakalahin'i Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i Mika dia Samira;

25. ny rahalahin'i Mika dia Jisia; tamin'ny taranak'i Jisia dia Zakaria.

26. Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin'i Jazia dia Beno.

27. Ny zanakalahin'i Merary tamin'i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.

28. Avy tamin'i Maly no nihavian'i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.

29. Ny amin'i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.

30. Ary ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.

31. Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 24