Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 24:16-25 Malagasy Bible (MG1865)

16. ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,

17. ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,

18. ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.

19. Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.

20. Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.

21. Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.

22. Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.

23. Ary ny amin'ny taranak'i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.

24. Ny zanakalahin'i Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i Mika dia Samira;

25. ny rahalahin'i Mika dia Jisia; tamin'ny taranak'i Jisia dia Zakaria.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 24